arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

TENIN-DRAMATOA TALE JENERALIN’NY MANAMAHEFA MPANDRINDRA NY TSENAMBARO-PANJAKANA



Tompokolahy sy Tompokovavy,

       Tongasoa eto amin’ny tranokalan’ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana ! Amin’izao fotoana iainan’ny Firenena Malagasy izao dia miatrika fanamby lehibe izay mitaky fanarenana haingana sy mahomby amin’ny lafiny ara-toe-karena i Madagasikara. Manana andraikitra goavana amin’ny fanatanterahana izany ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana amin’ny alalan’ny fametrahana fitantanana ara-toekarena mangarahara sy mahomby, mifototra amin’ny fahamarinana sy fanaraha-maso hentitra ara-bola, fandraisana andraikitra mazava ary tsy fandeferana na dia kely aza ny endrika kolikoly. Arak’izany, ezahina hifantoka amin’izay tena ilain’ny firenena sy ny vahoaka ny fandaniam-bolam-panjakana rehetra ka hiteraka vokatra azo tsapain-tanana sy maharitra ho an’ny Malagasy tsy vaky volo. Ho fanatanterahana ny vinan’ny Governemantan’ny Fanavaozana ny Répoblika, ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana, amin’ity taona 2026 ity, dia hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanavaozana goavana mifehy sy mamaritra ny rafitra sy ireo politika amin’ny sehatry ny tsenambaro-panjakana izay mifantoka indrindra amin’ny :

- Fanamafisana ny fitsipika sy ny fitsirihana tsy tapaka, ho antoka fa ny volam-panjakana rehetra dia ampiasaina amin’ny fomba ara-dalàna, mahomby ary mangarahara ;
- Fanitarana ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ireo rafitry ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana izay hapetraka isam-paritra mba hanamafisana ny fahafahana manaraka ara-potoana ny nampiasana ny volam-panjakana sy ny tetikasa rehetra mifanaraka amin’izany ary ny fangaraharana tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra sy ny fampiasam-bola mba hahazoana fitantanana mahomby sy vokatra azo tsapain-tanana ;
- Fanavaozana ny rafitra sy ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fanovana nomerika hahafahana manara-maso ny tetibola sy ny tetikasa amin’ny fotoana rehetra ilana azy ;
- Fampiofanana sy fanatsarana ho matihanina ireo mpisehatra rehetra amin’ny tsenambaro-panjakana mba hahazoana fitantanana mifanaraka amin’ny fenitra tsara tantana ;
- Fanohanana manokana ireo orinasa madinika sy salantsalany, tanora ary vehivavy mpandraharaha isa-paritra mba hahazoany mandray anjara mavitrika amin’ny tsenambaro-panjakana izay hitondra ho amin’ny famoronana asa sy fampandrosoana ara toe-karena ; - Fandraisana andraikitra mivantana sy fiaraha-mientan’ny rehetra eo amin’ny sehatry ny tsenambaro-panjakana, manomboka amin’ny Fanjakana, ny mpanatanteraka tetikasa, ny mpiara-miombon’antoka, ny orinasa, ary ny olom-pirenena, mba hahazoana fitantanana mahomby sy vokatra tsara azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy.

FEHINY : Vonona tanteraka ny Manamahefa Mpandrindra ny Tsenambaro-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo fanamby ireo ka hipetraka amin’ny toeran’ny maha tompon’andraikitra Manamahefa ara-dalàna amin’ny sehatry ny tsenambaro-panjakana azy. TANJONA ny hitondra fanovana goavana, hahatonga ny tsenambaro-panjakana eto Madagasikara ho fototry ny fampandrosoana maharitra, fitantanana tompon’andraikitra ary fanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ny Fanjakana sy ny vahoaka.

RAHETLAH Rahely Herilala

Directeur Général de l'Autorité de Régulation des Marchés Publics (ARMP)



ANTI-CORRUPTION




Le Journal des Marchés Publics


JMP édition spéciale numérique N°178
• • • • • • •
Sept 2024

Détails

  • mef
JMP édition spéciale numérique N°177
• • • • • • •
Août 2024

Détails

  • mef
JMP N° 176
JMP édition spéciale numérique N°176
• • • • • • •
Juillet 2024

Détails

  • mef
ARMP

L’«Autorité de Régulation des Marchés Publics»
est un Établissement Public à caractère administratif doté de la personnalité morale, jouissant de l’autonomie administrative, technique et financière, et placé sous tutelle budgétaire et financière des Ministères chargés des Finances et du Budget. L'ARMP a été créée suivant DECRET N°2005-215.

Décret 2005-215 portant organisation et fonctionnement de l'ARMP Télécharger

ACTUALITES




LE JOURNAL DES MARCHES PUBLICS
(JMP)

JMP édition spéciale numérique N°177
• • • • • • •
Août 2024

Détails

  • mef
JMP N° 176
JMP édition spéciale numérique N°176
• • • • • • •
Juillet 2024

Détails

  • mef
JMP édition spéciale numérique N°175
• • • • • • •
Mai 2024

Détails

  • mef

AVIS
SPECIFIQUE

Avis spécifiques

Appel d'offre
et
consultation de prix

• • • • • • • • • •
• • • • • • • • • •

Avis spécifique        

Détails

  • mef

AVIS D'ATTRIBUTION

avis D'ATTRIBUTION

Appel d'offre et consultation de prix

• • • • • • • • • •

Avis d'attribution

Détails

  • mef


BENEFICIAIRE EFFECTIF

avis D'ATTRIBUTION

Déclaration de l'identité des bénéficiaires effectifs de marchés publics n° 01/MEF/ARMP/2023 du 24 Mars 2023



ATELIER FORMATION


Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.